Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toetr’andro: efa anaty ririnina i Madagasikara

Efa tafiditra anaty vanim-potoana ririnina isika eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Manaporofo izany indrindra ny firotsahan’ny fanala mamirifiry rehefa madiva haraina. Eo koa ny zavona miraraka matevina izay manelingelina ny fahitana ho an’ny mpitondra fiara amin’ny maraina.

 Na izany aza, novinavinaina hafana kokoa ny maripana mandritra ity volana ity, raha ampitahaina amin’ny maripana tokony ho izy isaky ny volana jona.  Hifanahantsahana na ambany kokoa noho ny tokony ho izy ny rotsakorana. Mety ho maimaina mihitsy aza saika manerana ny Nosy. Hisy ihany anefa ny orana any amin’ny faritra Melaky, Atsimo Atsinanana, Fitovavy. Ny tapany avaratry ny faritra Atsimo Andrafena no hifanaraka na ho mando kokoa raha oharina amin’ny mahazatra isaky ny volana jona.

Hisy fiakarany kely ny maripana ambony ho an’ny afovoan-tany sy ny ilany atsinanana, manomboka ny zoma fa hidina kosa izany ho an’ny tapany atsimo andrefana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.