Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

SG Madagasikara: fitahirizam-bola ho an’ny fisotroan-dronono

Manome tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa hitsinjovana ny fisotroan-dronono ny banky Société générale (SG) Madagasikara. Azon’ny mpanjifa atao ny mitahiry vola amin’ny alalan’ny “Plan épargne retraite” (PER), ka sintonina aorian’ny fotoana hijanonana tsy miasa intsony. Samy afaka manao azy daholo ny mpanjifa tsotra sy ny mpiasa eny amin’ny orinasa.

Arakaraka izay zakan’ny mpanjifa ny vola arotsaka ho tahirizina sady tsy voafetra. Azo atao ara-potoana, nohamaivanina ny fepetra ilaina. Tsy misy sarany ny kaonty sy ny fanakatonana ny vola rehefa tonga ny fe-potoana hisotroan-dronono. Tsy hakana zana-bola sy hetra IRCM. Azo atao koa ny manao fifanarahana vaovao PER raha toa ka natsahatra aloha. Azo atao koa ny mitazona ny kaonty fisotroan-dronono aorian’ny 60 taona handehanana misotro ronono.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.