Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Savorovoro teny Ambohitrimanjaka: dimy mianadahy voasambotra, atolotra ny fampanoavana anio

Savorovoro teny Ambohitrimanjaka: dimy mianadahy voasambotra, atolotra ny fampanoavana anio

“Fanakorontanana ny filaminam-bahoaka”. Izay no hoe antony nisamboran’ny zandary ireo olona dimy mianadahy, taorian’ilay savorovoro nitranga teny Ambohitrimanjaka, ny faran’ny herinandro teo.

Efa-dahy sy vehivavy iray no vaosambotra ny zandary omaly noho ny fanakorotanana ny filaminam-bahoaka nataon’izy ireo nandritra ny filazana fahaverezana zazavavikely iray 12 taona  tetsy Ambohitrimanjaka ny alahady lasa teo. “Naneli-tsaho tamin’ny andro nikarohana ilay zaza ireo olona dimy mianadahy ireo ary nampiteraka ny korontana teny an-toerana”, hoy ny Kaomandin’ny Kaompania ny zandarimariam-pirenana Ambohitratrimo.  Raha atsidika ny zava-niseho dia nambaran’ireo olona dimy mianadahy ireo fa ao anatin’ny trano iray tsy lavitry ny toeram-ponenany ihany no misy ireo olona naka an-keriny ilay zazavavavy very nanomboka ny alakamisy 3 jona lasa teo. Nidina teny ifotony noho izany ny mpitandro filaminana ka nanao ny fisavana ny trano voatondro. Nanampy trotraka koa ny fitakian’ny vahoaka tonga teny an-toerana nitaky ny hisavana ny trano.  Akory anefa ny hahatairana  fa tsy nisy na inona na inona tao amin’ireo voatondro,  nanambara ny tompon-trano fa tsy nanafina ny zaza velively izy ireo. Tetsy an-kilany, niantso ny ray aman-dreniny ilay zazavavy fa very teny Analakely ka nangataka ny hakana azy. “Vao teo am-pitomaniana  izahay no niantso tampoka nilay zanakay fa very” hoy ny rainy. Taorian’io, noraisin’ny manam-pahefana ny raharaha ka nandritra ny fanadihadiana no naha voasambotra ireo dimy mianadahy voalaza fa nanakorotana filaminam-bahoaka ireo. Hiakatra fampanoavana tsy ho ela kosa ny raharaha araky  ny loharanom-baovao hatrany.

Nifampitory ny very zanaka sy ny voaroiroy…

Taorian’ny nahitana ilay zaza very ny alahady lasa teo, mitohy ny tsy fifankazahoana eo amin’ny ray aman-dreny ny zaza sy ireo olona voatondro ho nanafina ny zaza. “Samy nametraka fitoriana avokoa ny roa tonta amin’izao fotoana ka tsy maintsy jerena tsirairay avy izany”, hoy ny  Kaomandin’ny Kaompania ny zandarimariam-pirenana Ambohitratrimo. Notsiahivin’ ny mpitandro filaminana fa ilaina hatrany ny manamarina ny zavatra tenenina sy hahely mba tsy hisian’ny fanakorotanana filaminam-bahoaka tahaka iny niseho teny Ambohitrimanjaka iny.

Tsiferana Randriatiana

Les commentaires sont fermées.