Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mondial Judo 2021: tsy nitsanga-menatra ireo solontena malagasy

Mondial Judo 2021: tsy nitsanga-menatra ireo solontena malagasy

Naneho ny maha izy azy ary tsy nikely soroka hatramin’ny faran’ny lalao nataony avy  ireo Judokas malagasy  telo mianadahy, niatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany any Budapest Hongrie, omaly.

Naneho ny maha matihanina azy tanteraka ary nikiry hatramin’ny farany ry Fetra sy ny ekipany nanoloana ny mpifanandrina aminy avy nandritra ny lalao fiadiana ny tompondaka eran-tany tanterahina ao Hongrie, omaly. Samy nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny fifandonana nataony izy ireo ka ho an-dRasoanaivo Razafy Laura manokana, nifandrina tamin’ilay teratany uzbekistan, Khojieka Farangiz ny tenany nandritra ny lalao voalohany. Efa voatanany sahala hatramin’ny fahataperan’ny ora farany io  mpifanandrina taminy io ka voatery niditra tamin’ny  fanampim-potoana farany na ny « golden score» ny lalao ary teo no nahalavo an’i Laura. Niraraka teo amin’ny fihodinana voalohany koa i Nomenjanahary Damiella rehefa nifampitana tamin’i Billiet Sandrine avy ao Cap-vert. Ireo judokas malagasy roa ireo izay samy tao anaty sokajy latsaky ny 63 kg avokoa. Ho an’ny eo amin’ny sokajy lehilahy kosa, niondrika nanoloana ny mpifanadrina amin’ny teo amin’ny lalao fihodinana faharoa Ratsimiziva Fetra sokajy latsaky ny 81 kg. Tapitra teo avokoa,  noho izany, ny lalana ho telo azy mianadahy.

 

Mitohy ny ezaka ho an’ny mpikatroka malagasy…

Na teo aza ny faharesena teo amin’ireo telo mianadahy solontena malagasy tany Hongrie, zava-dehibe eo amin’ny taranja judo ny zava-bitan’izy ireo . «Mbola manana fotoana hivoarana misimisy kokoa ireo judokas malagasy ireo noho izy ireo mbola anaty ny hatanorany tanteraka », hoy ny filohan’ny Do judo, Rabeantoandro Herimbola. Hita soritra araka izany fa ho lasa lavitra ny taranja Judo malagasy, hoy hatrany izy.

 

Tsiferana Randriatiana

Les commentaires sont fermées.