Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Matt Tattooink: “Fahafinaretana sy fikoloam-batana ny tombokavatsa”

Matt Tattooink: “Fahafinaretana sy fikoloam-batana ny tombokavatsa”

6 taona niseharana teo amin’ny fanaovana havatsa Ranoelimanana Dominicka Mathieu na fantatry ny maro amin’ny hoe Matt Tattooink. Manana ny mampiavaka azy izy amin’izay asa izay dia ny fanaovana havatsa tsy mety miala intsony.

Misy karazany maro ny tombokavatsa fa ny “Old school” no tena iseharan’i Matt Tattooink. Anisan’ny fotokevitra entiny amin’izany ny hoe “ Raha tempolin’Andriamanitra ny tenanao, inona ny antony tsy andravahana izany?”. “Fomba fijery maro, fitsarana mivantana matetika ny mahazo ireo olona mitondra ireny, sady mila malala-tsaina ny rehetra satria ny tena marina, mitahiry fahatsiarovana, nanamarika zavatra ny fiainan’ny olona manao izany izy ireny na koa fahafinaretana sy fikoloam-batana. Raha tsorina, tsy azo tsaraina ivelany ny olona mitondra havatsa. Any ampita aza, ireo olona malaza sy mahomby eo amin’ny fiainana ny manao izany, ary manerana ny vatany”, hoy i Matt Tattooink. Mieritreritra ny hanitatra bebekokoa ny zavatra ataony ny tenany, ankehitriny, ary hanokatra botika eny amin’ny “centre ville” no tanjony ary hanatsara ny kalitaon’ny zavatra avoaka, sns… Manana ny tambajotran-tserasera “facebook” “Matt Tattooink” izy ho an’izay maniry hiaraka hiasa sy hifanerasera aminy eo amin’izay sehatry ny zavakanto izany.

Narilala

Les commentaires sont fermées.