Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jirama-CUA: nosantarina teny III G Hangar ny « Famatsian-jiro mora »

Jirama-CUA: nosantarina teny III G Hangar ny « Famatsian-jiro mora »

Nidina teny amin’ny fokontany III G Hangar  Antohomadinika ny Jirama sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny 9 jona teo. Nisolo tena ny CUA ny sampana mpamonjy voina CUA.

 Nentanin’ny Jirama sy ny  kaominina CUA ny tokantrano sahirana hampiditra jiro amin’ny alalan’ilay tetikasa fampidiran-jiro mora na « branchement mora ». Tanjona ny hisarihana mpanjifa vaovao mba hisorohana ny trano may vokatry ny herinaratra. Maherin’ny 10 ny tokantrano nanaiky avy hatrany hampidiran-jiro. Vina ato ho ato sady lavitr’ezaka ny hampidiran-jiro ny tokantrano marefo rehetra eny amin’ny III G Hangar. Nanentana nanoro lalana ny mponina amin’ny fiatrehana sy ny tokony hatao raha sendra misy haintrano ny mpamonjy voina. Nomena azy ireo koa ny laharana antsoina raha sendra misy ny voina.

Nambaran-dRtoa Razafindranivo Andrianariseheno, lehiben’ny tetikasa Branchement Mora, fa zava-dehibe ity fanentanana iombonana mba hahafahan’ny isan-tokantrano mahazo antoka ny herinaratry ny Jirama azony. Anisan’ny veliranon’ny filoham-pirenena rahateo ny fahazoana herinaratra mora vidy.

Trano hazo ny ankamaroany

Ho an’ny kapiteny Ralimbison Yves Helory, tompon’andraikitry ny seraseran’ny mpamonjy voina, “tsy maintsy apetraka ny tena fanabeazana ho an’ny mpanjifa herinaratra, mahatonga anay hiaraka amin’ny Jirama”. Tsiahivina fa trano hazo ny ankamaroan’ny trano ao amin’ity fokontany ity.

Notsorin’i Sitraka, mponina eny an-toerana, anisan’ny nahazo voalohany ny fampidiran-jiro mora, fa nampiasa labozia izy ireo hatramin’izay. Mila nitandrina be amin’ny fampiasana azy satria tsy ampy ny vola. “Tsy afaka niana-desona ny zanako amin’ny alina satria tsitsiana ny labozia. Milamina ny tokantranonay izao satria nahazo herinaratra mora”, hoy ihany izy.

Miisa 30.000 ny tokatrano hampidiran-jiro mora hatramin’ny taona 2023.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.