Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifaninanana Soratononina: ny zoma 18 jona ny fandraisana lahatsoratra

Araka ny fanamarihana avy amin’ny Akademia Malagasy, nihemotra ny zoma 18 jona izao, amin’ny 09 ora hatramin’ny 04 ora folakandro, ny fandefasana ny lahatsoratra mahakasika ny fifaninanana Soratononina. Aterin-tanana ao amin’ny Foibe momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy, Tahala Rarihasina Analakely, rihana faharoa na alefa paositra (amin’ny adiresy voalaza etsy ambony) ka ny fitomboky ny paositra no manamarina izany. Hotontosaina amin’ny haino amanjerim-panjakana, RNM sy TVM ny fizoran’izany.

Narilala       

Les commentaires sont fermées.