Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fiarovam-pirenena…: nihaona tamin’ny MDN ny masoivoho Indianina

    Nihaona tamin’ny masoivoho Indianina, Abhay Kumar, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard, omaly. Nifantoka tamin’ireo fomba hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fiarovana eo amin’ny firenena roa tonta (Madagasikara sy Inde) ny votoatin’ny dinika teo amin’ireto tomponandraiki-panjakana ambony ireto. Nohamafisin’ny masoivohon’i Inde fa tsy vao izao fa efa ela no nisy ny fiaraha-miasa matotra teo amin’ny Tafika Malagasy sy ny firenena indianina. Nankasitraka izao fiaraha-miasa izao kosa ny MDN satria isan’ireo firenena manohana hatrany ny Tafika Malagasy ry zareo Indianina. Tsiahivina fa efa nandalo tao amin’ny Tafika an-dranomasina ao Antsiranana, ny sambo mpiady efatra an’ny tafika indianina nizara traiketra ho an’ny Tafika Malagasy. Mitohy, araka izany, ny fifampizarana traikefa eo amin’ny roa tonta, ao anatin’ny fanovan-drafitra rahateo ny Tafika Malagasy ka isan’ireo manohana ny ezaka manoloana izany ny firenena indianina.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.