Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanomezan-dra: ilaina ny fahafantarana ny sokajin-dra

Fanomezan-dra: ilaina ny fahafantarana ny sokajin-dra

Homarihina maneran-tany ny 14 jona izao ny Andron’ny mpanome ra. « Manome ra hampitempo ny fon’ny rehetra », io no teny filamatra hovoizina amin’ity taona ity.

Nanazava ny talen’ny foibe famindrana ra,  Dr Hanitriniala Sahondranirina Paquerette fa hiavaka ny fankalazana izany amin’ity taona ity satria natao eny anivon’ny faritra miaraka amin’ny ivontoerana misahana ny famindrana ra ny hetsika.

Miompana amin’ny fanomezan-dra sy fitiliiana ny sokajin-dra maimaim-poana no hatao amin’izany. Tanjona ny hananana ny listr’ireo sokajin-dra, izay ampiasaina eny amin’ny  ivontoerana famindrana ra hatrany amin’ny faritra sy ny distrika. Misy ny fianakaviana manana tsy salama tonga eny amin’ireny toerana ireny ka sahirana mitady ny sokajin-dra.

Hahafahana miantso ireo olona manana sokajin-dra tadiavina sy hanaovana ny drafitra fanangonan-dra ihany koa ireo ivonterana tokony hanao tahiry ho an’ny marary mila izany.

Ireo mpanome ra an-tsitrapo no miantoka ny ra madio sy azo antoka ho an’ny mararary. Mahafeno ny fepetra rehetra ho amin’ny fanomezana ra izy ireo.

Mahasalama ny manome ra satria mihavao ny sela solon’ny ra izay nomena, hoy hatrany ny dokotera. Manavotra aina sesehena ny fanomezan-dra, toy ny fandidiana, ny vehivavy bevohoka tratran’ny fahaverezan-dra raha tojo fahasoratana.

Mbola vitsy ireo mpanome ra ara-potoana sy maimaim-poana eto Madagasikara. Isaky ny telo volana ny lehilahy no afaka manome ra ary isaky ny efa-bolana ny vehivavy.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.