Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanadinana bakalorea: 184.863 ireo mpiadina manerana ny Nosy

Fanadinana bakalorea: 184.863 ireo mpiadina manerana ny Nosy

Nanao tatitra mikasika ny antontanisan’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana bakalorea ny talen’ny fampianarana ambony Raharimalala Laurence,  ao amin’ny minisitera, omaly.

Fantatra tamin’ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitra fa miisa 184 863 ireo mpiadina fanadinana bakalorea manerana ny Nosy amin’ity taona ity.

Nitombo 12,45% izany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa 164.396.  Mbola miandry ny fahatongavan’ny tatitra mirakitra ny taratasy fisoratana anarana avy any amin’ny ofisin’ny bakalorea isam-paritra kosa mikasika ny fitsinjarana isaky ny sokajy avy.

Misokajy telo lehibe ny safidin’ny mpiadina . Ao ny sokajy literera, sokajy siantifika ary ny sokajy OSE (oranganisation société et economique)

Ho an’ny literera indray dia ahitana ny zana-tsokajy A1,A2 ary L. Ny siantifika, misy zana-tsokajy C,D ary ny S. Anisan’ny sokajy vaovao ny OSE. Tanjona ny hanampiana ny ankizy hiatrika ny fianarana raha te hanohy eny amin’ny lalam-piofanana toekarena na sosiolojia na fitantanana, na lalàna rehefa mianatra eny amin’ny oniversite.

Hahafahan’ireo ankizy mamaritra ny hoaviny tsy hitsapatsapany intsony rehefa eny amin’ny oniversite izy ireo, hoy ny fanazavan’ny talen’ny fampianarana ambaratonga faharoa ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hananany angona ara-pahalalana hahafahany miatrika ny anjerimanontolo io sokajy OSE io.

Ny option L sy S dia efa tena nampanarahana izay maha literera na siantifika azy izay mihitsy. Miakatra coefficient 5 na 6 ny taranja fototra ao aminy.

Mikasika ny adina ara-panatanjahantena, sady misy ny fampiasam-batana no misy ny adina am-bava, araka ny safidin’ny mpiadina sy ny fahazoan-dalana omen’ny dokotera.

Samy manana ny fandaminana amin’izany ny isaky ny faritany, izay efa samy manana tomponandraikitra mpandrindra.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.