Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahasalamana: namono olona telo ny covid-19

 

Olona telo no matin’ny covid-19, ny talata 8 jona teo. Teto Analamanga avokoa izy ireo raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Mbola misy olona 28 vaovao koa nahitana ny tsimokaretina coronavirus tamin’ireo olona 366 nanaovana fitiliana. Teto Analamanga ny sivy tamin’ireo, efatra Matsiatra Ambony, telo Ihosy sy Sofia ary roa avy Ihorombe sy Atsinanana ary vatovavy Fitovinany. Iray avy kosa Diana, Atsimo Andrefana, Menabe ary Ihorombe.

Mbola misy olona 110 arahi-maso akaiky ny fahasalamany eny amin’ny hopitaly satria maneho tranga fahasarotana izy ireo. Tetsy an-daniny, nisy olona 35 sitrana soa aman-tsara na dia niady mafy tamin’ny fahafatesana aza.

Tatiana A

 

Les commentaires sont fermées.