Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Aviadev2021: fampiroboroboana ny zotra ana habakabaka

Aviadev2021: fampiroboroboana ny zotra ana habakabaka

Atao ny 9 hatramin’ny 11 jona, eto Madagasikara ny fivoariambe iraisam- pirenena Aviadev Africa 2021, karakarain’ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be. Sambany nisian’izany fivoriana izany teto amintsika, natao hampiroboroboana ny tolotra sy ny zotram-piaramanidina aty Afrika. Hita ao ny mpisehatra rehetra amin’ny fitaterana ana habakabaka, toy ny kaompania mpitatitra, ny mpitantana seranam-piaramanidina, ny rafi-panjakana voakasiky ny fizahantany, sns. Tanjona ny hampiroboroboana ny hikarohana zotra vaovao sy toerana amin’ny lafiny fitaterana ana habakabaka.

Amin’ny alalan’ny ampitain-davitra no hanaovana ity fivoriana iraisam-pirenena ity, noho ny Covid-19. Maherin’ny 1.000 ny mpandray anjara, ahitana firenena 76, kaompania ana habakabaka iraisam-pirenena 40, toy ny Emirates, ny Qatar, ny Lufthansa, ny Airlink, sns .

Miahy ity fivoriana ity ny minisiteran’ny Fizahantany, ny fitaterana ary ny famantarana ny toetr’andro. Mbola handray ny fivoriana Aviadev ihany koa i Madagasikara, izay manatrika sy mihaona amin’ny mpivory, ny taona 2022.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.