Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antenimierampirenena  : hahitsy ny lalàn’ny fandovana 

Hitondra fanitsiana ny lalàna tamin’ny 1968 momba ny fanomezana sy fandovana ny tolo-dalàna avy amin’ny depiote  Rakotomanga Lanto, eny anivon’ny Antenimiera. Taloha, ny lehilahy miasa ary ny vehivavy mikarakara tokantrano. Tsy izany intsony izao, fa efa miara-mitady ny roa tonta. Na miasa ao an-trano aza ny vehivavy, mitondra fandaminana sy fampandrosoana amin’ny fampandehanana ny tokantrano.

Marina fa nisy ny lalàn’ny fanambadiana taloha : kitay telo andalana. Efa mizara ho antsasany avy ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ny fananana izao. Raha ny lalàna, ny filaharana amin’ny fahazoana mandova: voalohany mandova, ny zanaka; faharoa, ny zafikely; fahatelo, ny ray aman-dreny; fahefatra, ny mpiray tampo; fahadimy, ny zanaky ny mpiray tampo… Any amin’ny fahavalo vao ilay vady velona amin’izy mivady raha maty ny iray; ny fahasivy, ny fanjakana no mandray ny fananana.              “Tsy mety ny saina amin’izany raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao: misy miady, misy tsy fifankahazoana eo amin’ny fianakaviana”, hoy izy. Satria lasa any amin’ny laharana fahavalo amin’ny fandovana ny vady, nefa izy no niara-nihary tamin’ny vadiny fony fahavelony. Hatao laharana fahatelo ny vady amin’ny fandovana, araka ny fanovana nentiny.

R.Nd.

 

Les commentaires sont fermées.