Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vehivavy namaky trano: ny namany ihany no nahavanon-doza

Tra-tehaky ny polisim-pirenena teny Ambodirano ny vehivavy roa tompon’antoka tamin’ny vaky trano tetsy Ambodirano Androndrakely. Naharay fitarainana mahakasika ny tranga ny polisy ka nanokatra fanadihadiana avy hatrany. Voasambotra tamin’izany ny vehivavy roa voarohirohy tamin’ny raharaha. Fantatra taorian’ny fanadihadian’ny polisy fa naman’ilay mpamaky trano ny iray tamin’ireo nahavanon-doza. Efa mpiditra matetika ao amin’ilay lasibatra izy talohan’ny tranga. Ary vitan’ireo mpamaky trano dika mitovy mihitsy ny fanalahidin’ilay trano novakiny. Vokany, nanao ny asa ratsiny ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nandehanan’ilay tompon-trano nianatra. Very tamin’izany ny entana maro isan-karazany izay efa namidin’ireo mpamaky trano tamina toerana iray eto an-drenivohitra. Taorian’ny fahatrarana an’ireo olon-dratsy, azo avokoa ireo entana nangalariny ka efa tafaverina tamin’ny tompony ihany koa izany. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ihany koa ireo nahavanon-doza rehefa avy nandalo fampanoavana.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.