Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hasarotam-piaro: lehilahy iray namono ny zanaky ny sakaizany

Tranga mampalahelo. Zazavavikely herintaona sy valo volana ny maty noho ny herisetra nahazo azy tao Beanana Atsimondrano Andapa, afakomaly maraina. Araka ny fanadihadiana, raikelin’io zaza io ilay nahavanon-doza. Voasambotra tao Ambodiangezoka-Andapa tao an-tranon’ny reniny ny alin’ny alahady teo ihany ilay lehilahy rehefa nitsoaka noho ny tahotry ny fitsaram-bahoaka. Hanaovan’ny Polisim-pirenen ao Sambava fanadihadiana izy ary hiakatra fampanoavana aorian’izay.

Nifamaly io lehilahy io sy ny sakaizany ny zoma lasa teo, taorian’izay, nalainy tany amin’ilay vehivavy sakaizany ilay zazavavikely ka nentiny tany aminy. Ny alahady teo, nifanena an-dalana ireo mpisakaiza vao roa volana raha avy namonjy fiangonana ilay vehivavy. Nitady ny zanany izy tamin’izany, ilay lehilahy kosa, nilaza fa efa tsy namana intsony ilay zazavavikely.

Henintsoa Hani

 

 

Les commentaires sont fermées.