Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

     « économat»-n’ny lisea: voaroba ny vola 7 tapitrisa Ar

    Tovolahy roa, 17 sy 19 taona, voasambotry ny polisy ao Farafangana, ny zoma teo, noho ny resaka hala-bola. Voalaza fa namaky ny birao fithirizam-bolan’ny lisea iray ao an-toerana izy roa lahy ireo ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Vokany, very tamin’izany ny vola mitentina 7 tapitrisa Ar mahery. Zanaky ny mpiambina ny lisea teo aloha ihany ny iray amin’ireo tovolahy raha zanaky ny mpiambina miasa amin’izao kosa ny iray hafa, raha ny fanadihadiana. Nisokatra avy hatrany ny famotorana ny raharaha, vokany, voasambotra ny zoma lasa teo ny iray tamin’ireo tovolahy. « Efa niomana ny handositra izy roa lahy ireo ka tratra tamina trano fandraisam-bahiny teto an-toerana ny iray raha voasambotra teny an-dalana ilay namany ny asabotsy teo », hoy ny polisy.

    Henintsoa Hani

     

     

    Les commentaires sont fermées.