Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Adiny roa ny fifampitifirana…: dahalo enina indray lavon’ny balan’ny zandary

    Adiny roa ny fifampitifirana…: dahalo enina indray lavon’ny balan’ny zandary

    Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifandonana teo amin’ny zandary sy ny dahalo tao amin’ny distrikan’i Port Bergé. Vokany, dahalo enina indray rotiky ny bala. Naharitra adiny roa ny fifampitifirana tao anaty ala…

    Mbola tantara mitohy ny raharaha asan-dahalo any amin’ny distrikan’i Midongy Atsimo nahafatesana miaramila roa sy olona sivy hafa. Nampiseho ny fahaiza-manaony ny Tafika sy ny Zandary tamin’ny alalan’ny fitaovana teo am-pelatanana ka niampatrampatra koa ny fatin-dahalo taorian’izay. Manao ny ataony koa ny dahalo any amin’ny distrikan’i Port Bergé. Dahalo enina indray lavon’ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana mahery vaika tao Ampitilimaiky, Andranomena, ao amin’ny distrikan’i Port Bergé, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary any an-toerana, nitrangana fanafihana mitam-piadiana mahery vaika nataona andian-dahalo tao Amberiveribe, kaominina ambanivohitr’i Tsiniangia, Port Bergé, ny asabotsy alina tamin’ny 8 ora. Olona efatra indray naratra vokatry ny daroka sy ny tifitra nataon’ireo dahalo. Lasan’ireo mpanafika nandritra ity fanafihana ity ny entam-barotra sy lelavola 11 tapitrisa Ar mahery, araka ny tatitra nampitain’ny zandary hatrany. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Port Bergé. Vokany, dahalo enina indray lavo nandritra ny fifandonana naharitra adiny roa tao anaty alan’Analabe Andranomena I, ny alahady maraina.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.