Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra 

Mpanjono efa-dahy tonga any Anjouan rehefa nasesiky ny rivotra sy sendra ny andro ratsy. Nanainga tao Nosy Be ireo mpanjono, ny 17 mey lasa teo, sendra andro ratsy anefa izy ireo teny ambony ranomasina ka natolaky ny rivotra nankany Anjouan, Kaomoro, ny sambokely niondranany. Taorian’izay, hitan’ny mpitandro filaminana tao an-toerana izy efa-dahy ka nampiandraiketina ny fanjakana kaomorianina ny raharaha. Mamatsy sakafo azy ireo koa ireo fikambanana teratany malagasy ao an-toerana. Maniry hody an-tanindrazana ireo mpanjono ka hisy sambo avy ao Anjouan hanatitra azy ireo ao Nosy Be, afaka andro vitsy.

 

Les commentaires sont fermées.