Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sprinter mpitondra entana nifandona: roa maty tsy tra-drano, roa hafa naratra mafy

Sprinter mpitondra entana nifandona: roa maty tsy tra-drano, roa hafa naratra mafy

 Korontam-by sisa ireo fiara Sprinter roa, mpitatitra entana nifandona mafy teny Mangatokana, Maevatanàna, amin’ny lalam-pirenena fahefatra, ny faran’ny herinandro teo. Samy namoy ny ainy, maty tsy tra-drano tamin’izany, ny mpamily sy ny tompon’ilay Sprinter iray…

Loza nahatsiravina !! Olona roa indray maty taorian’ny fifandonan’ny fiara mpitatitra entana roa teo Mangatokana, anatin’ny fokontany Andranobevava, kaominina Antanimbary, distrikan’i Maevatanàna, misy ny RN4, afakomaly tokony ho tamin’ny 12 sy sasany alina. Avy any Marovoay hitondra entana hihazo ny Renivohitra ny fiara iray nisy olona telo raha toa ka nikasa ho any Mahajanga ilay avy aty Antananarivo. Ny mpamily irery ihany ny tao anatin’ity farany. « Nitaky ny torimaso ho an’ilay mpamily fiara avy any Antananarivo ka nifatratra tampoka tamin’ny fiara nifanena taminy izy », hoy ny kapiteny Tsamatsangy, kaomandin’ny kaompanian’ny Zandariamaria Maevatanana. Vokany, maty tsy tra-drano ny mpamily sy ny tompon’ny fiara avy any Marovoay. « Mbola niantso vonjy ary nangataka ny hanavotana azy io mpamily io, saingy tsy tana ny ainy noho ny hamafin’ny loza nihatra taminy », hoy ny nanatri-maso. Tsy vitan’izay, naratra mafy ny mpamily ny fiara avy aty Antananarivo sy ilay olona fahatelo avy any Marovoay ka voatery nentina namonjy ny hopitaly. Tetsy ankilany, korotam-by sisa ny niafaran’ireo Sprinter roa nentin’izy ireo ary niparitaka tsy nisy noraisina ny entana tao anatiny. Marihina fa misesisesy sahady ny lozam-pifamoivoizana andro vitsy taorian’ny nisokafan’ny lalam-pirenena.

Tsiferana R.

Les commentaires sont fermées.