Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zom-pirenena… tsy zohy fierena        

Zom-pirenena… tsy zohy fierena        

  Mahavalalanina, mahafanina… Hatramin’izao, lasa adihevitra be ny amin’ny tolo-dalàna fanitsiana ny lalàna fanomezana ny zom-pirenena malagasy; eny, hahemotra amin’ny fivoriana ara-potoana manaraka aza. Amin’izay indrindra aza no hanararaotana hanoloran-kevitra, hifanakalozan-kevitra, hiadian-kevitra… Ny hevitra tsy azo tsy amin’olombelona. Ady fiady araka izay azo atao io.

Misy ny tsy fifankahazoan-dresaka? Izay no fototra sy fositra mahatonga ny ahiahy tsy ihavanana ho azy amin’izao. Mandeha avokoa izao karazana tombantombana rehetra izao: ho lasan’ny vahiny hahazo ny fizakana ny zom-pirenena, ohatra, ny tany noho ny fahantran’ny Malagasy. Izay fividianana tany izay no hoe mampihazakazaka ny vahiny sasany hangataka zom-pirenena malagasy?

Misy aza ny tonga amin’ny hoe: tena mihevi-tena ho Malagasy ve izay mahazo sy mizaka izay zom-pirenena izay? Misy tsy mety manambady malagasy, na tsy azon’ny Malagasy  alainy ho vady… Ao aza ny hoe tsy mety miteny malagasy, manambany sy manao tsinontsinona ny Malagasy… Tsy fifankahazoana avokoa no mahatonga izany rehetra izany? Na tsy fifampitokisana…

Efa mafanafana ratsy toy ny ratsy ataon-kavana ny adihevitra vao hoe ezahina hazavaina ny hoe: raha ny lalàna manankery amin’izao, ohatra, mahazo mividy tany rehefa mpandraharaha; eny, na tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy aza. Eo koa ny hoe famerenana ny tsy fahazoan’ny vahiny mividy tany, ohatra, ny ao anatin’ny tolo-dalàna, eny, na mizaka zom-pirenena aza izy.

Mila hazavaina manontolo sy amin’ny antsipiriany ny tolo-dalàna? Hanaovana fakan-kevitra sy fifanakalozan-kevitra ary adihevitra aza mba tsy ho tompon-trano mihono ny Malagasy. Amin’izao, toy ny hoe zohy fierena, sanatria, ny zom-pirenena. Mahasolo tena ny vahoaka ny amin’ny fandaniana na tsia ny fanitsiana ny lalàna ve ireo solombavambahoaka sa hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka?

Mila lazaina sy hazavaina mandrakariva izay atao, ary atao izay lazaina mila hazavaina.

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.