Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vaovao tambatra

Mitohy ny famatsiam-bola ho fanajariana ny lemaka fambolem-bary, distrikan’i Vavatenina. Afaka mamboly vary indroa izao ny mponina, raha indray mandeha isan-taona ihany ny teo aloha. Betsaka ny misafidy ny voly vary ka hitombo, araka izany, ny vokatra, ahazoan’izy ireo tombontsoa. Vokatra ho an’ny fanjifana sy ny varotra. Nomarihin’ny sampandraharaham-paritra momba ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono ny fahavononan’ny mpamboly hikojakoja ny fotodrafitrasa momba ny fambolena. Volam-panjakana, volam-bahoaka ny hiantohana izany.

Nahazo milina vaovao roa famatsiana herinaratra ny Jirama Ambositra, manana tanjaka 700 Kw avy. 1 100 Kw ny filàna ao an-toerana sy ny manodidina ka mbola misy angovo ambiny avy amin’ireo milina roa ireo. Samy nandray ny andraikiny ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tamin’ny nahatapaka ny herinaratra ka tsy niandry ela ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo namaly ny fangatahana. Maro ny kaominina manerana ny Nosy tojo fahasahiranana amin’ny famatsiana herinaratra, mila famahana olana avokoa.

 

Les commentaires sont fermées.