Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vary zafindraony: nahazoana vokatra 9,17 t/ha

Vary zafindraony: nahazoana vokatra 9,17 t/ha

Nampitain’ny Sinoa ho an’ny Malagasy ny fampiasana ny masomboly vary zafindraony. Nahomby ny vokatra, nahazoana 9,17 t/ha.

Nanomboka ny oktobra 2019 ny Fandaharanasa mikasika ny fambolena, ny fiompiana, ny jono (PSAEP) sy ny Lasitra fandaharanasa isaky ny firenena (CPP), ao anatin’ny Fiaraha-miasan’ny firenena samy tatsimo (CSS) an’ny FAO, ka iarahan’i Madagasikara sy i Sina. Tafiditra ao anatin’izany ny famokarana vary zafindraony (hybride), mety tsara amin’ny toe-tany eto amintsika. Nitsidika ny fahavokaran’ity karazam-bary ity ny minisitry ny Fambolena (Maep), Ranarivelo Lucien, ny 14 mey teo, tany Mahitsy. Faritra telo (Analamanga, Alaotra Mangoro, Diana) no nanatanterahana ny tetikasa, ampiasana ny vary zafindraony. Ho an’Analamanga, nahafa-po ny vokatra nandritra ny taom-pambolena indroa nisesy (2019-2020 sy 2020-2021) tany amin’ny toerana 11 nanaovana ny santatra sy andrana . Satria nahazoana 157,7 t ny vokatra tamina velaran-tany 17,2 ha, manome vary 9,17 t/ha.

Tantsaha 5.200

Miisa valo ny teknisianina sinoa niara-niasa akaiky tamin’ny Malagasy miisa valo ihany koa. Tanjona ny hanofanana malagasy mpamokatra maherin’ny 1.000, niampy teknisianina miisa 100. Mahatratra 5.200 ny tantsaha efa nahazo fiofanana mampiasa masomboly zafindraony. Tany amin’ny kaominina Mahitsy, nahavita nividy masomboly vary zafindraony, mitentina 2,6 tapitrisa Ar ny kaoperativa iray, ho an’ny taom-pambolena 2020-2021.

 

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.