Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

COMFWB (1) eto Madagasikara: nomena lalana ny vehivavy mpandraharaha

Nampahafantarina ny 11 mey 2021 teo ny Federasion’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (COMFWB)*, natrehan’ny minisitry ny Indostria, ny varotra, sy ny asa tanana (Mica), Rakotomalala Lantosoa ; ny filohany, Razakaboana Fanja ary tompon’andraikitra maro. Nomen’ny Comesa** lalana ny COMFWB Madagasikara hampiroborobo ny fihariana tarihin’ny vehivavy, hampandroso ny toekarem-pirenena. Mila mifanakalo hevitra sy traikefa izy ireo, handrisihana ny vehivavy hanangana na hampandroso orinasa isaky ny faritra misy azy.

Tanjona telo nofaritana : Fanentanana sy fametrahana ny fihariana ho hita ; famantarana izay tinadin’ireo vehivavy mpandraharaha sy fampanarahana amin’izay fandaharanasan’ny COMFWB ; hatao izay hifandraisana hampahomby ireo mpikambana sy hitadiavana mpiara-miombon’antoka.

Najoron’ny Mica tamin’ny 2020 ny COMFWB Madagasikara, ary nankatoavin’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha. Hampandroso ny varotra sy ny fihariana samihafa aty Afrika izy ireo, koa antsoina ny fikambanana hafa hiditra ao amin’ity vondrona ity, hifaninana hahazoana tolotra sy tombontsoa samihafa. Misahana ny fifandraisana, Rtoa Andriantsiory Hasina (+2613454 55494, comfwb@gmail.com).

 

R.Mathieu

 

* COMFWB  : Comesa Federation of Women in Business

** Comesa  : Marché commun de l’Afrique orientale et australe

 

Les commentaires sont fermées.