Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Champions League Basket »: hifanandrina ny GNBC sy ny US Monastir

« Champions League Basket »: hifanandrina ny GNBC sy ny US Monastir

Hiatrika ny lalao voalohany amin’ny fifaninanana  « Champions League Basket » tanterahina any Dakar-Senegal ny ekipan’ny GNBC izay solontenantsika malagasy, anio. Hifanandrina aminy amin’izany ny ekipan’ny Us Monastir avy ao Tonizia izay iray vondrona amintsika ihany. Vonona tanteraka ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena hiady sy handrombaka ny fandresena amin’ity lalao tontosain’izy ireo ity. Etsy ankilany, manambana ny  tsy hilefitra velively koa ry zareo Tonizianina amin’ity lalao anio ity ary efa niomana fatratra hiatrika izany. Ny Us Monastir izay efa inenina voahosotra ho tampondakan’i Tonizia. Hiady tanteraka, noho izany, ny lalao eo amin’ny ekipa roa tonta satria tsy mikely soroka koa ny ekipan’ny zandary malagasy. Miandry ny zava-bitan’ny klioban’ny GNBC avokoa izany anio ny mpankafy basikety sy ireo mpanohana malagasy rehetra.  Marihina fa amin’ny 10 ora alina eto an-toerana no hanatontosana ny lalao.

Tsiferana R.

Les commentaires sont fermées.