Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby vehivavy: iray vondrona amin’i Frantsa ny Makis de Madagascar

Rugby vehivavy: iray vondrona amin’i Frantsa ny Makis de Madagascar

Ao amin’ny vondrona C ny Makis de Madagascar vehivavy, eo amin’ny lalao famerenana «repêchage», hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2022), tanterahina any Japon.

Tontosa omaly, ny antsapaka nahalalana izay iray vondrona amin’ny lalao famerenana «repêchage», taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy sy vehivavy izay any Monaco ny 19 ka hatramin’ny 20 Jona ho avy izao. Fifaninanana hiadian-toerana hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2021) tanterahina any Japon, ny 23 jolay ka hatramin’ny 8 aogositra, ho avy izao.

Anisan’ireo hiady izany ny Makis vehivavy, izay tafara-bondrona amin’i Frantsa sy i Hong-kong ary i Kolombia. Azo lazaina fa eo ho eo ihany ireo firenena hifanandrina amin’ny Makis, ankoatra an’i Frantsa, izay manan-tombo noho ny traikefa hananany. Tsiahivina fa tao anaty satroka fahefatra no nisy an’i Samoa sy i Madagasikara ary i Tonizia, izay solontena afrikanina.

Firenena 12 no hiady ny toerana roa handehanana any Tokyo, Japon, amin’ity. Mifandimby mihaona ireo ekipa efatra  ao anaty vondrona ka miakatra amin’ny dingana ampahefa-dalana ireo ekipa roa voalohany isam-bondrona miampy ireo ekipa fahatelo, miisa roa tsara manana isa ambony.

Fifanintsanana mivantana avy eo no atao ka miatrika ny manasa-dalana ireo efatra tafavoaka ary izay roa mandresy ka manao ny famaranana no hiatrika ny lalao Olympika, any Japon.

Tsiahivina fa efa tafita amin’izany i Kenya, tompondakan’i Afrika.

Ho an’ny lehilahy, 10 ny firenena hifaninana amin’izany. Tafaraka amin’i Frantsa ihany koa i Oganda ary miara-dalana amin’i Samoa i Zimbaboe.

 

Tompondaka

 

 

Sokajin’ny vehivavy

 

Vondrona “A” : Rosia ; Arzantina ; Meksiko ; Samoa

Vondrona «B» : Papouasie Nouvelle –Guinée ; Kazakstan ; Jamaika ; Tonizia

Vondrona «C» : Frantsa ; Hong-Kong ; Kolombia ; Madagasikara

 

Sokajin’ny lehilahy

Vondrona «A» : Samoa ; Irlande ; Tonga ; Zimbaboe ; Meksiko

Vondrona «B» : Frantsa ; Hong-Kongo ; Chilie ; Oganda ; Jamaika

 

 

Les commentaires sont fermées.