Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Renim-pianakaviana nanao habibiana …: nomeny poizim-boalavo ny zanany vao roa taona, ary naleviny avy eo

Renim-pianakaviana nanao habibiana …: nomeny poizim-boalavo ny zanany vao roa taona, ary naleviny avy eo

Habibiana tsy roa aman-tany ny nataon’ity renim-pianakaviana iray tamin’ny zanany vao roa taona monja. Nomeny poizim-boalavo ity farany, ary rehefa maty, naleviny teny an-tanimbary…

Ramatoa iray monina ao Ambatondrazaka akaikin’ny Betanimena no tra-tehaky ny polisy noho ny resaka fanapoizinana sy ny vono olona, ny 5 mey lasa teo. Zazalahikely iray vao roa taona monja no hita faty teo amin’ny tanimbary iray tsy lavitra  an’i Betanimena. Rehefa nozahan’ny mponina nanatri-maso akaiky, tsy nisy tapany ambany intsony ilay zazalahikely ary tsikaritr’izy ireo fa nifandrombahan’ny alika io faty io nandritra ny alina. Niantso ny manam-pahefana avy hatrany ireto farany ka natomboka ny fanadihadiana. Fotoana vitsy monja taty aoriana, fantatra fa ramatoa iray monina tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny habibiana ihany no tompon’anaka.

 

Nanao mody torana…

Nanao mody torana hatrany io renim-pianakaviana io nandritra ny famotorana azy ka voatery nentin’ny mpitandro filaminana tany amin’ny hopitaly. Tafaporitsaka tao anefa ny tenany, saingy tratra ihany, andro vitsy taty aoriana. Voamarina fa reny niteraka io zazalahikely io tokoa ity nahavita namono azy ity. Nomeny poizim-boalavo  ilay zanany nahafahany nanapitra ny ainy.  Taorian’izay, naleviny samy irery ihany io zazalahy vao rao taoana monja io kinanjo noloaran’ny alika ka niafara tamin’ny fahitan’ny fokonolona ny vata-mangatsiaka. Hatram’izao fotoana izao, tsy fantatra mazava  ny nahatonga ny namonoan’io ramatoa io ilay zanany naterany. Hiakatra fampanoavana tsy ho ela kosa ny raharaha ary andrasana  ny fivoaran’izany.

Tsiferana Randriatiana

Les commentaires sont fermées.