Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra any ivelany: Barea roa lahy hifaninana amin’ny D1

Kitra any ivelany: Barea roa lahy hifaninana amin’ny D1

Miampy hatrany ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar, miatrika ny fifaninanana D1 any amin’ny firenena ilalaovany avy. Anisan’ireny Raveloson Rayan, milalao ao amin’ny Estac Troyes, Frantsa. Ny fandresena tamin’ny isa mazava 2 no ho 0 nanoloana ny Dunkerque, ny asabotsy lasa teo, no nandrombahany ny tompondakan’ny “Ligue 2” ka nahazoany ny tapakila hiakarana amin’ny “Ligue 1”. Enin-taona aty aoriana vao tafaverina amin’izany indray ny Estac Troyes.

Ankoatra an’i Rayan, tafakatra ao amin’ny D1 ihany koa i Loic Lapoussin, milalao ao amin’ny Royale Union St-Gilloise, nandrombaka ny tompondakan’i Belzika, D1B. Tsiahivina fa efa mifaninana ao anatin’ny “Ligue 1” Frantsa i Jeremy Morel sy i Thomas Fontaine, milalao ao amin’ny FC Lorient.

Ankoatra izay, nandrombaka ny tompondakan’i Bolgaria fanimpitony indray Andrianantenaina Abel Anicet, kapitenin’ny Barea de Madagascar, raha fanimpolony ho an’ny Razgrad Ludogorets, ekipa ilalaovany.

Marihina fa anisan’ireo ekipa hiady ny toerana hiatrehana ny “Ligue des champions” ho an’ny taom-pilalaovana 2021-2022 indray izany i Abel Anicet.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.