Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Miisa 24 ireo olona naiditra “violon” noho tsy fanarahana ny lamina napetraka amin’ny fiparitahan’ny Covid-19 amin’ny tokony hanajan’ny tsirairay ny fihibohana tanteraka isaky ny asabotsy sy ny alahady. Tsikaritra fa mbola misy ihany ireo olona mitangorongorona sy manome vahana ny fiparitahan’ny valanaretina ao anatin’ireo toerana samihafa. Manginy fotsiny ireo mifanjevo tsy amin’antony sy/na ireo milalao baolina eny an-dalambe.

Olona miisa dimy indray namoy ny ainy taorian’ny lozan-dranomasina niseho ny alin’ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora latsaka. Rendrika teo amin’ny seranan-tsambon’i Betsimipoaka, faritra Sofia, ny lakana nitondra mpandeha 18 isa. Avy any Andamoty-Mahadrodroka, distrikan’Analalava, ny lakana ary saika hihazo an’i Marovantaza. Nihetsika tampoka anefa ny rano rehefa nihatrana teo amin’ny serananan’i Betsimipoaka ny lakana. Vokany, lasan’ny rano tamin’izany ny olona miisa dimy, nahitana zazalahikely vao 9 volana monja. Taorian’ny fikarohana, vata-mangatsiakana vehivavy iray manodidina ny 40 taona avy any Befandriana Avaratra no hita. “Hita ny alin’ny asabotsy teo kosa ny nofo mangatsiakana vehivavy iray hafa sahabo ho 42 taona”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Taorian’ny loza, nitsoaka avy hatrany ny mpanamory ny sambo sy ny olona iray izay samy karohina ihany koa. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana

 

Les commentaires sont fermées.