Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nitotonan’ny Emmo/Reg…: fiangonana roa saika hisokatra nahazo fampitandremana

Nitotonan’ny Emmo/Reg…: fiangonana roa saika hisokatra nahazo fampitandremana

Fiangonana roa tao an-drenivohitr’i Toamasina, omaly, no nitotonan’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo/Reg, raha mbola nikiry nitaona ireo mpivavaka sy saika hanokatra ny trano fivavahana. Nilamina ny toe-draharaha taorian’ny fifampiresahana, ary nomena fampitandremana ireto fiangonana ireto.

Anisan’ireo Faritra mihiboka sady tsy afa-mifamezivezy mivoaka sy/na miditra ny faritra Atsinanana noho ny firongatry ny valanaretina Covid-19. Voarara tsy mahazo misokatra ihany koa ny fiangonana. Tsikaritra anefa fa mbola misy ihany ireo fiangonana misokatra ka nahatonga ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana nampitandrina ireo fiangonana mbola minia mandika izany fepetra napetraky ny fanjakana izany. Nahazo fampitandremana ny fiangonana FJKM Betela sy ny fiangonana zandriny Jesosy Mamonjy, samy ao amin’ny fokontany Tanambao Fahadimy avokoa. Teo koa ny Shine sy ny FJKM Zoara Famonjena ao Ankirihiry ary ny Témoins de Jehovah ao Ambalamanasy, samy efa niomana hanoka-baravarana handraisana mpino ny alahady maraina teo. Fantatra fa nisy andiana mpino efa tonga teny amin’ireo toerana ireo ny alahady vao maraina. Mihidy anefa ny faritra ary mbola mikatona ny fiangonana sy ny moske, araka ny fepetra noraisin’ny fanjakana noho ny hamehana ara-pahasalamana amin’ny fisian’ny Covid-19. Vao maraina anefa, nihatrana teny an-toerana ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo/Reg hampanaja ny fepetra sy ny fandaminana tsy hisian’ny fotoam-bavaka. Nisy, araka izany, ny fifampiresahana teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ireo mpino tonga teny amin’ireo fiangonana ireo hiverenan’izy ireo hamonjy tokantrano tsy hisian’ny fitangorongoronana mitarika ny fiparitahan’ny aretina. Nihidy ny vavahadim-piangonana ka nametaka petadrindrina ny eo anivon’ny FJKM Betela sy ny Tranovato Fitiavana nilaza fa “tsy misy fanompoam-pivavahana anio alahady 9 mey” na efa nisy fampilazana niparitaka amin’ny tambajotran-tserasera nanomboka ny 7 mey, nampiomana ny mpino fa “hiverina hosokatra ny fiangonana manomboka ny 9 mey”. Manoloana ity filazana ity, nisy ireo mpino naneho ny alahelony raha nahita mpitandro filaminana teo anoloan’ny trano fivavahana.

Sajo/J.C

Les commentaires sont fermées.