Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sidina Ethiopian Airlines: fiaramanidina cargo ilay tonga teny Ivato

 Nitondra fanazavana ny minisitry ny Fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro, Randriamandranto Joel, mikasika ilay sidina an’ny Ethiopian Airlines, tonga teny Ivato, ny alarobia 6 mey teo. Fiaramanidina nitondra entana (cargo) ilay izy, fa nanararaotra nandeha taminy ny mpiasan’ny Air Madagascar sy ny A CMn avy namita iraka tany ivelany. Avy nanatitra ny fiaramanaidina Air Madagascar Boeing 737 izy ireo tany Bucarest Romania, izy ireo, ny 25 avrily 2021 teo. Hitondra mpandeha ho any Addis Abeba indray ity fiaramanidina ity rehefa miverina.

Mikasika ireo relijiozy hita tamin’ny sary teny Ivato kosa, miisa roa izy ireo, handeha amin’ity fiaramanidina ity izy ireo ary relijiozy namany nanatitra azy roa vavy ireo hita tamin’ny sary.

Njaka A.

 

 

Les commentaires sont fermées.