Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Ligues des Champions 2021 »: adin’ny samy Anglisy ny lalao famaranana

Ny ekipan’ny Chelsea sy ny Manchester City no hiady ny amboaran’ny « Ligues des champions 2021 », tanterahina any Istanbul ao amin’ny kianja Ataturk, ny 29 mey ho avy izao. Samy ekipa miavaka ary manana ny maha izy azy ireto ekipa anglisy roa tafakatra amin’ny dingana famaranana ireto. Ho an’ny ekipan’i Thomas Tuchel, lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0  nandritra ny lalao manasa-dalana miverina ny ekipan’i Zinedine Zidane raha toa ka 1 sy 1 izany tamin’ny lalao mandroso. Tetsy an-kilany, efa niandry fotsiny izay hifanandrina aminy amin’io lalao famaranana io  ny Manchester City an’ i Pep Guardiola taorian’ny nandavoany ny PSG, ny talata lasa teo. Marihina fa vao tsy ela no nifanandrina tamin’ny lalao manasa-dalàn’ny FA cup tao Angletera ireto ekipa hifanadrina amin’ny famaranan’ny LDC ireto ka nanan-tombo tamin’ny baolina tokana matiny ny Chelsea. Tsy hanaiky lembenana koa anefa ry Mahrez sy ny namany ka heverina fa ho mafy ny fifandonana eo amin’ny roa tonta mandritra ny lalao famaranana.

Tsiferana R. 

Les commentaires sont fermées.