Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Raharaha fakana an-keriny” – Anjozorobe: zazalahikely 13 taona ny iray amin’ireo 14 voasambotra

“Raharaha fakana an-keriny” – Anjozorobe: zazalahikely 13 taona ny iray amin’ireo 14 voasambotra

Mahavariana ! Ankoatra ireo vehivavy roa, zazalahikely vao 13 taona monja ny iray amin’ireo 14 voasambotry ny zandary, mikasika ilay “Raharaha fakana an-keriny” nahoraka tao anatin’ny andro vitsivitsy, tany Anjozorobe.

Mahavita mandrahona ny  mponina ao Anjozorobe sy ny manodidina azy tokoa io zazalahikely vao 13 taona monja sarona niaraka amin’ny namany miisa 13 tao amin’ny fokontany Ambohimiarina, kaominina Betatao, distrikan’ Anjozorobe, afakomaly, io, raha ny nambaran’ny zandary. Taorian’ny fanarahan-dia ireo dahalo mpaka an-keriny tao an-toerana ireo, tra-tehaka ihany izy 14 mianadahy efa ikoizana amin’ny asa ratsiny ireto. « Mpamatsy dahalo, mpampiantrano ary mpandray anjara fototra tamin’ilay fakana an-keriny avokoa ireo olona voasambotra ireo ary ananana porofo mazava izany », hoy ny Kly Randrianarivelo Anissé, lehiben’ny vondron-tobim-pileovana Analamanga. Tambajotran’i Del Kely, anisan’ny dahalo mpambotry ny mponina any amin’iny faritra avaratra iny, ireo tra-tehaka ireo. Na izany aza, tsy nikely soroka ireo mpitandro filaminana fa nikiry hatrany nanao izay hisamborana ireto andian-dahalo ireto niaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny miaramila Das. Marihina fa ankoatra ireo voasambotra ireo, dahalo roa hafa efa lavon’ny zandary tany an-toerana. Takalonaina iray amin’izao fotoana izao ny mbola ezahina havotsotra  eny am-pelatanan’ny olon-dratsy raha toa ka efa avotra soa aman-tsara ireo efatra namany. Manentana ny mponina any an-toerana kosa ny zandary hisian’ny fiaraha-miasa hatrany ahafahana mamongotra ireo mpanao ratsy mbola miriaria.

 

Tsiferana Randriatiana

Les commentaires sont fermées.