Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anarana-tsy very: nisehatra teo amin’ny politika nanomboka ny faha-18 taony Ranaivoson Desiré

Anarana-tsy very: nisehatra teo amin’ny politika nanomboka ny faha-18 taony Ranaivoson Desiré

Iza izy ? Mpandrindra nasionaly antoko Marina Ranaivoson Desiré. 48 taona, manambady, ary manan-janaka roa lahy.

Manampahaizana ambony momba ny fitantanan-draharaham-panjakana “diplôme des hautes études en administration”, nivoaka tao amin’ny Enam ary nandalina manokana momba ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana ifotony.

Ankoatra izany, injeniera nivoaka teny amin’ny sekoly ambony Politeknika eny Vontovorona. Nanaraka fianarana ambony momba ny fitantanana sy ny fitantanambola tao amin’ny Iscam.

Mpandalina ny tantaran’i Madagasikara ary efa namoaka boky miisa roa momba izany koa Ranaivoson Desiré.

Nanofa na nindrana gazety

Efa nanaraka akaiky ny raharaham-pirenena raha vao 15 taona ary tsy tapaka nanaraka vaovao. Matetika aza manofa na mindrana gazety hovakina rehefa tsy manana hanarahana vaovao tamin’izany.

Nanomboka niantsehatra mivantana teo amin’ny raharaham-pirenena teo amin’ny faha-18 taony ary niditra ho anisan’ny Komitin’ny mpianatra “sécondaire (KMS) tao amin’ny Hery velona ny taona 1991. Voasafidy ho anisan’ireo solontenan’ny mpianatra ambaratonga faharoa nivory niaraka amin’ireo mpitarika antoko politika sy ny sendikà ary fikambanana tao amin’ny Hery velona. Mpitondra tenin’ny mpianatra tamin’ireo fihaonambe teny Coum 67 ha sy teo amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’izany.

Nanao fandinihana manokana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara izy ireo tamin’izany ary voatendry ho solontenan’ny mpianatra ambaratonga faharoa nandritra ny fihaonambem-pirenena “Forum national” ny taona 1992. Nisahana ny teo anivon’ny vaomieran’ny fanabeazana sy ny kolontsaina tamin’izany ka nitondra ny ny hevitry ny mpianatra. Nivoaka tamin’izany ny hevitra hamolavolana ny lalampanorenan’ny Repoblika III.

Nanorina ny fikambanana “Cercle de reflexion pour le développement de Madagascar – CRDM » ny taona 2008. Nanana hevitra hanao ny “Fihaonambem-pirenen’nytanora” ny taona 2009 io fikambanana io. Efa filohan’ny komity mpikarakara izany fihaonambe ny tenany, nandinihana lohahevitra momba ny olan’ny tanora ary nahavory solontena miisa 2 000.

Nitaky ny kianjan’ny Demokrasia

Natsangana ny Vovonam-pirenen’ny tanora ho an’ny fampandrosoana « Plateforme nationale des jeunes – PNJ » ka anisan’ny mpanorina sady filoha nasionaly ny tenany.

Anisan’ireo nanana andraikitra tamin’ny tolona ho amin’ny demokrasia sy ny fahalalahana ny taona 2009 izy. Efa filohan’ny vaomieran’ny paikady na ny stratejia tamin’ny fitokanana ny kianjan’ny Demokrasia ny taona 2009 tamin’ny hetsika fitakiana voalohany nampiasana izany toerana izany.

Nandray anjara tamin’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fihaonambem-pirenena ny taona 2010 izy sy ny fikambanana PNJ notarihiny. Nivoaka tamin’izany ny volavolan-kevitra nandrafetana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika fahefatra.

Andraikitra efa nosahaniny ny naha delegen’ny boriboritany fahadimy azy. Efa lefitry ny ben’ny Tanànan’Antananarivo misahana ny filaminana sy ny fitantanan-draharaha ary ny fitantanambola. Efa talen’ny fampandrosoana ny faritra Analamanga. Teo koa ny naha mpikambana azy tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita (CST). Efa mpanolotsaina teknika tao amin’ny Antenimierandoholona, ny ministeran’ny Tanora, ny faritra Analamanga ary ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM).

Mila fiomanana ny fanaovana politika…

Mpampianatra amina oniversite tsy miankina Ranaivoson Desiré amin’izao fotoana izao ary efa nanofana tanora maro (Malagasy sy teratany vahiny). Manampy izany, “consultant” amin’ny sehatry ny fitantanana eny ifotony sy ny fitsinjaram-pahefana.

Nambarany fa asa masina ny fanaovana politika. “Antso sy iraka amin’ny fikarohana sy ny fanatanterahana izay hahasoa ny firenena sy ny tombontsoan’ny besinimaro izany”, hoy izy. Mila fiomanana sy fiofanana izany ary mitaky fahalalana sy kolontsaina marolafy. Sehatra ikarohana sy handrafetana hevitra, iadiana hevitra ary ifandresen-dahatra amin’ny lalana hitondrana ny firenena politika. “Tokony heverina amin’izany ny lafim-piainana: fanabeazana, fahasalamana, toekarena… Fahadisoan-kevitra ny fiheverana fa fifidianana ihany no resaka politika. Tokony handany ron-doha amin’ireo lafiny ireo ny mpikatroka politika sy ny antoko”, hoy izy.

Nangonin’i Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.