Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rasamy Coco: angatahina ny hivarotana ny andramena eto an-toerana

Naneho hevitra Rasamy Coco, mpandraraharaha madinika iray any Antalaha, faritra Sava, mikasika ny tahiry andramena eto amintsika. Aminy, mandalo fotoan-tsarotra isika amin’izao tranga covid-19 izao. Sahirana vola ny Malagasy nefa tsy maintsy misakafo ara-pahasalamana mampitombo ny hery fiarovana. Tsy misy ny vola hividianana fanafody sy ny oksizena. “Koa, mangataka amin’ny fanjakana sy ny filoham-pirenena aho hamelana hivarotana ireo tahiry andramena”, hoy izy. Nambarany fa tsy azo atao inona intsony ireo hazo efa tapaka ireo fa ho lasan’ny rano fotsiny.

Nomarihiny fa nisy ny fivoriana niarahana amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ny senatera maromaro, ny 2 avrily teo tany Antalaha. “Hiditra amin’ny ririnina isika, izay mahery vaika tokoa ny Covid-19, koa aoka tsy hiandry ela ny fanatanterahana izay nodinihina tamin’io fivoriana io”, hoy ihany Rasamy Coco. Nolazainy fa efa sahirana tokoa ireo mpandraharaha amin’izao fotoana izao satria ananan’ny banky volabe.

Njaka A

Les commentaires sont fermées.