Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Internety Telma: anisan’ny mora aty Afrika ny eto Madagasikara

Tsy mitsaha-mitombo ny fampiasana ny internety amin’izao vanim-potoana Covid izao, toy ny fiasana ampitain-davitra, ohatra. Anisan’ny mora indrindra sady tsy lafo aty Afrika ny saran’ny “internet” eto Madagasikara. Ho an’ny Telma, ohatra, ahazoana tanjaka 1,5 gigaoctet (G) amin’ny tolotra One Net Week ny 10 000 Ar. Misanda 0,53 dolara ny 100 G. Manodidina ny 1,96 dolara ny salan’ny vidin’ny gigaoctet eto Madagasikara, raha 2,67 dolara atsy Afrika Atsimo, 3,21 dolara ny atsy Kaomoro ary 8,4 dolara ny atsy Seychelles.

Diso, araka izany, ny fanadihadiana navoakan’ny kabinetra anglisy UK Cable mikasika ny salambidin’ny gigaoctet maneran-tany. Lazainy fa any amin’ny 10 farany aty Afrika ny filaharan’i Madagasikara, amin’ny salambidiny 5,14 dolara. Izany hoe, salanisa ho an’ny mpandraharaha telo eto amintsika (Telma, Airtel, Orange).

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.