Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Mandray anjara biriky ny Tafika Malagasy amin’ny famahana ny olana mianjady amin’ny mponina any Atsimo. Vahaolana maharitra entina amahana ny olana mianjady amin’izy ireo ny fampiroboroboana ny fambolena. Manoloana izany, nanolotra ny fahaiza-manao ary ny fitaovana hikarakarana ny tany ny Tafika. Raha ny tao amin’ny kaominina Behara distrikan’Amboasary Atsimo, ny faran’ny volana teo no nanatanterahana izany.

 

Nandalovan’ny rambondanitra sy orambe niampy havandra tao amin’ny kaominina Bembary distrikan’i Moramanga, afakomaly hariva ka niteraka fahasimbana tanimbary sy tanimboly maro izany ary naharavana trano ihany koa. Fokontany efatra no tena voa mafy tamin’izany dia ny fokontany Bembary, fokontany Ankodahoda, fokontany Amboasarikely ary ny fokontany Andranomadio. Na teo aza izany, tsy nisy kosa ny aina nafoy. Tonga tao an-toerana ny zandary nanampy ireto fokontany tra-doza ireto.

 

 

Les commentaires sont fermées.