Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Samy milaza fa tompony…: omby iray nifandroritana olona roa samihafa

Samy milaza fa tompony…: omby iray nifandroritana olona roa samihafa

Ao anatin’ny famerenana amin’ny tompony ireo omby azo nandritra ny fanaovana savahao kijana ahina ho fanafenana omby maloto ao amin’ny distrikan’Antsohihy ireo tompon’andraiki-panjakana ao an-toerana.

Fantatra, araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana fa kaomisiona roa no nihetsika nandritra ny fanatanterahana izany, ny alahady teo. Ny kaomisiona iray tao amin’ny kaominina Anahidrano raha teo Ampandriankilandy kosa ny faharoa. Tsiahivina fa omby miisa 65 no azon’ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Amboroho nandritra ny fanaovana sahavao kijana tao amin’ny fokontany Anketsahely, kaominina Ampandriankilandy Antsohihy, ny 17 avrily lasa teo. Nifamotoana tao Ampandriankilandy ireo olona manana taratasy fanamarinana ny maha tompon’omby niaraka tamin’ireo kaomisiona mpikirakira ny fanamarinana sy famerenana ny omby, ny alahady 2 mey 2021. Omby miisa 60 no voamarina sy nahitana antontan-taratasy ara-dalàna raha dimy kosa sia tavela ao amin’ny valam-pamonjana ao Ampandriankilandy. Fantatra fa omby iray amin’ireo sisa tavela ireo no nifandroritana olona roa samihafa samy nilaza fa tompony. Samy nifamaly sy nilaza fa tompony ireto olona roa ireto. voatery najanona, araka izany, ity omby ifandroritana ity miandry ny fanamarinana rehetra ataon’ny kaomisiona momba izany. Marihina fa laharam-pahamehan’ny goveroran’ny faritra Sofia, ny Jly Lilyson René de Rolland rahateo ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana indrindra ny halatr’omby.

J.C

Les commentaires sont fermées.