Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sambava: tovolahy iray hita faty natsingevan’ny ranomasina

Hatairana ny an’ireo mpanarato tao Sambava, omaly maraina. Tovolahy iray sahabo 14 taona no hita tsy nisy aina intsony natsingevan’ny ranomasina teo Ampandrozonana tokony ho tamin’ny 08 ora maraina. « Teo amin’ny 200 metatra miala ny morontsiraka no nahitanay ny razana, taorian’izay, nampandre ny zandary avy hatrany izahay », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Nidina teny an-toerana nijery ny zava-misy ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny sefo fokontany tao an-toerana. Nisokatra nanaraka izany ihany koa ny fanadihadiana ny raharaha. Fantatra tamin’izany fa mbola nilalao ranomasina niaraka tamin’ireo namany ity namoy ny ainy ity, ny alahady teo. Nitsoaka noho ny tahotra kosa anefa ireo mpiara-dia aminy rehefa nahita azy sempotra tao anaty rano.

Nampahafantarina ireo fianakaviany monina eny Ambodisatrana II ny tranga ary natolotra azy ireo ny vata-mangatsiakany, hoy ny fanazavan’ny sefo fokontany. Fantatra fa mpianatra ao amin’ny sekoly ABC ilay maty ary vao « classe de 4ème ».

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.