Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rahajasoa Honoré – Mpikabary: “Tsy sakana amin’ny fanasoavana firenena ny fisian’ny covid-19”

Rahajasoa Honoré – Mpikabary: “Tsy sakana amin’ny fanasoavana firenena ny fisian’ny covid-19”

Ny talenta tsy mihiboka ho an’ireo mpisehatra ara-javakanto… Amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, mitondra ny anjara biriky amin’ny fanandratana ny teny sy ny zavakanto malagasy  Rahajasoa Honoré.

Mitohy hatrany ny fampianarana mikabary izay ataon’ny fikambanana Hajan’ny Gasy, tarihin-dRahajasoa Honoré. Na izany aza anefa, manaja hatrany ny fihetsika ara-pahasalamana izy ireo, satria miisa enina ihany raha be indrindra ny mpianatra raisina miara-mianatra. Anisan’ny mampiavaka ny kabary ampianarin-dry zareo ny fampiharana amin’ny fomba tsotra ireo teknika mora hahaizana izany anaty fotoana fohy. Eo ihany koa ny resaka soatoavina, toy ny fihavanana, firaisan-kina, fifankatiavana, ny fiarahamonina, izay porofoina amin’ny alalan’ny ohabolana, araka ny nambaran’ny mpitarika. Manana ny foiben-toerana eny amin’ny biraon’ny Hajan’ny Gasy etsy Anosibe tsena, arrêt bus 172,187 lalana hihazo an’Andavamamba izy ireo izay sady toerana fampianarana ihany koa.   “Tsy sakana amin’ny asa fanasoavana ny firenena amin’ny fanandratana ny hasina sy ny soatoavina malagasy ny fisian’ny valanaretina. Ho sarotra ny mamerina ny kolontsaina mahazatra teny amin’ny fiarahamonina noho ny fanovana fomba amam-panao noteren’ny zavamisy ankehitriny, hatramin’ny nisian’ny valanaretina coronavirus. Ao anatin’izany ny tsy fifamangivangiana, ny fifiampikasokasohana kanefa dia zava-dehibe teo amin’ny Malagasy ny fifandraisan-tanana”, hoy Rahajasoa Honoré, filohan’ny fikambanana. Manana ny tambajotran-tserasera facebook “ Hajan’ny Gasy Mpikabary izy ireo ho an’izay maniry hiaraka hiasa sy hifanerasera.

Narilala

Les commentaires sont fermées.