Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

MMRS: namoy ny ainy ny mpandrindra stratejika

MMRS: namoy ny ainy ny mpandrindra stratejika

Very olomanga ny eo anivon’ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika (MMRS). Namoy ny ainy, ny zoma 30 avrily teo, Rakotondrazafy Andrianjakatiana, mpandrindra stratejika sy ny fanombanana ao amin’ny MMRS. Efa tale kabinetran’ity minisitera ity izy talohan’izao toerany izao. Mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Omnis sy ny Kraoma ary ny QMM ihany koa izy. Mpikambana ao amin’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRD), tompon’andraikitry ny fikambanana Lafatra ao anatin’ny IEM.

Maro ny traikefa sy ny fahaiza-manao nentiny tao amin’ny MMRS. Anisan’ny anjara biriky nentiny farany ny mikasika ny fanitarana ny rambo tany ambany ranomasin’i Madagasikara, natao sonia ny 16 avrily teo, niarahan’ny Omnis sy ny orinasa sinoa SIO. Mpampianatra mpikaroka ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony koa ny tenany. 53 taona, namela mananotena sy kamboty dimy mianadahy. Notolorana ny mariboninahitra manokana izy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany ny gazety Taratra.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.