Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ireo tratra tamin’ny sokatra 193: 12 volana sazy mihatra sy onitra 10 tapitrisa

Ireo tratra tamin’ny sokatra 193: 12 volana sazy mihatra sy onitra 10 tapitrisa

Olona fito tratra voampanga tamin’ny fitondrana sokatra 193 ny 7 avrily teo, ka nandalo fitsarana tao Ambovombe Androy, omaly. Voaheloka 12 volana sazy mihatra miampy onitra 10 tapitrisa ariary daholo izy ireo, anisan’izany ny komandin’ny zandary  any an-toerana voarohirohy tamin’ity fitondrana sokatra an-tsokosoko ity.

Sokatra, anisan’ny harena sorobidy mampiavaka ny tontolon’ny zavaboary amin’ny faritra maro eto Nosy. Mateti-pitranga tokoa ny halatra sokatra toy izao, fitondrana izany an-tsokosoko ary misy manondrana any ivelany. Ambaratongan’olona maro no handalovan’ireo biby ireo miala any Atsimon’ny Nosy, tonga hatraty Antananarivo. Mazava ho azy fa misy ihany ny kolikoly ao anatin’izany, misy koa ny tsy mandefitra amin’ny trangan-javatra toy ireny. Efa an-taonany maro ny nisian’ny fanondranana sokatra, atahorana handripaka ireo karazan-tsokatra ireo.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.