Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankoatra ny fitaterana entana sy marary…: “Foana ny sidina anatiny rehetra”, hoy ny kaompania Tsaradia

Ankoatra ny fitaterana entana sy marary…: “Foana ny sidina anatiny rehetra”, hoy ny kaompania Tsaradia

Araka ny fepetra ara-pahasalamana napetraky ny filoham-pirenena, nandritra ny lahateniny, ny alahady 2 mey teo, mampahafantatra ny rehetra ny kaompania Tsaradia fa foana daholo ny sidina rehetra eto Madagasikara, manomboka ny 5 hatramin’ny 16 mey ho avy izao. Voakasik’izany daholo ny zotra ana habakabaka anatiny manontolo manerana ny faritra eto amintsika.

Hany zotra ana hakabakabaka mitohy ny fitaterana entana sy ny fitaterana marary, izay tsy maintsy manana fahazoan-dalana manokana avy amin’ny Sampandraharaha misahana ny fitaterana sivily eto Madagasikara (ACM). Hisy ny fepetra manokana raisin’ny kaompania Tsaradia ho an’ireo famandrihana nofoanana mandritra ireo vanim-potoana ireo. Koa, iangaviana ny mpanjifa hiantso amin’ny laharana (+261) 22 23 444 44.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.