Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anjomakely: renim-pianakavina hita faty tao anaty lava-piringa

Nampihoron-koditra! Renim-pianakaviana iray no hita faty tao anaty lava-piringa, ny faran’ny herinandro teo teny Anjomakely. Araka ny fitantaran’ireo nahita ny zava-niseho, ny lohany no latsaka tao anaty lava-piringa. Somary mitoka-monina ny tranon’ity renim-pianakaviana ity ary mangingina tanteraka. voalaza fa izy irery no mipetraka ao an-trano fa ny vadiny sy ny zanany kosa miasa ka isan-kerinandro ihany vao tonga. Nisokatra anefa ny varavarana tamin’ny fotoana nahatongavan’ny vady aman-janany tao an-trano. Niahiahy avy hatrany izy mianaka ka nijery ny manodidina ka tamin’izany no nahitana ny fatiny tao anaty lava-piringa. Nolazain’ireo olona mahafantatra ity renim-pianakaviana niharam-boina kosa fa tao anatin’ny andro maromaro izy no tsy hita nivezivezy teny an-toerana. Nivarahontsana avokoa ireo olona nahitana ity vonoan’olona feno habibiana ity. Nakarina avy hatrany avy ao anaty lava-piringa ny fatiny. Raha ny fampitam-baovao voaray, efa misy olona ahiahina ho tompon’antoka amin’izao raharaha izao. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana rahateo anefa ny mpitandro filaminana ka aorian’izay no hamantarana ny marina momba ity raharaha vonoan’olona ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.