Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Nitrangana fahamaizana teny Mandrosoa Ivato, ny alin’ny asabotsy hifoha alahady teo tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. May tao anatin’ny ora vitsy ny trano lehibe misy rihana iray. Levon’ny afo tanteraka ireo entana maro isan-karazany ka tsy nisy intsony ny azo raisina. Niitatra tamin’ny ireo manodidina ny afo ka trano efatra hafa koa no may.

Nitangorona maro ny olona teny amoron’ny lakan’Andriantany, omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 02 ora. Nahoraka teny an-toerana ny filazana fa nisy voay tao anatin’io rano maloto io. Vokany, vory maro ny olona nijery izany, tsy voahaja intsony koa ny elanelana ho fiarovana ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19.

Vata-mangatsiakana lehilahy iray no nisy nanatitra tao amin’ny tranom-patin’ny HJRA, omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 02 ora. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty io lehilahy manodidina ny 50 taona io, hoy ny tompon’andraikitra tao an-toerana. Tsy mbola fantatra ny mombamomba io lehilahy io ary tsy mbola tonga teny ihany koa ny fianakaviany.

 

Les commentaires sont fermées.