Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpikarakara Kaly tsinjo ao Toamasina: terena handoa 100 000 Ar isan-kerinandro

Mpikarakara Kaly tsinjo ao Toamasina: terena handoa 100 000 Ar isan-kerinandro

Hakana vola ireo mpikarakara ny Kaly tsinjo 10 eto an-drenivohitr’i Toamasina. Misy amin’ireo koa anefa no manao antsirambina ny asany.

Ny asabotsy teo ny fiantsoana nataon’ny mpandrindra ny Kaly tsinjo nataon’ny talen’ny kabinetran’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina, i Hubert Tatian. 12 ireo tonga nanatrika ny fihaonana tamin’ny tomponandraikitra mpandrindra ny Kaly tsinjo. « Mila fiaraha-miasa isika fa tsy misy ranom-panafody sy solika hivezivezena ny ao amin’ny kaominina sy ny faritra ka mandoa vola 100 000 Ar isan-kerinandro ianareo », hoy ny mpandrindra ny Kaly tsinjo tamin’ireo mpivory, araka ny angom-baovao. Nilaza kosa ireo mpikarakara sakafo fa mbola tsy nahazo vola avy amin’ny fanjakana mihitsy fa volan-dry zareo madiodio ny hampiasaina hividianana sakafo. « Aloavy aloha ny anay », hoy ireo mpikarakara Kaly tsinjo. Vokany, nandrahona hanakatona ny toeram-pisakafoana ity mpandrindra ity. Nohamafisin’ireto mpikarakara Kaly tsinjo ireto fa tomponandrakitra izy ka afaka manakatona ny toerana tsy hanome vola azy. Ampy tsara ny ranom-panafody ary tsy misy olana ny solika raha nanontaniana anefa ny ben’ny Tanàna sy  ny eo anivon’ny faritra Atsinanana.

Misy manao antsirambina

Eny ifotony, tao amin’ny fokontany Ankirihiry Atsimo, tsy manaja ny elanelana iray metatra ireo misitraka sakafo Kaly tsinjo. Ny mpikarakara rahateo, tsy manaraka ny lamina amin’ny laoka tokony haroso ny mpihinana. Nohamafisin’ny loharanom-baovao fa manao antsirambina ny asa ireo mpikarakara sakafo ireto. Ny hitondra ambin-tsakafo hody no mahamaika azy ireo.

Sajo

Les commentaires sont fermées.