Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Ahoana indray ny tohiny ?…

Zoma anio. Raha ny nahazatra hatrizay, rehefa volana aprily-mey eo dia tena efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny mpanao adina ara-panatanjahantena amin’ny BEPC sy bakalôrea. Marihina moa fa raha tsy misy ny fiovana dia ho tapitra amin’ny volana ambony io ny fisoratana anarana ho an’ny mpiadina rehetra (Tapitra anio kosa ny an’ny CEPE), izany hoe tokony ho efa fantatry ny tsirairay na hanao fanatanjahantena izy na tsia, na hanao fampiharana, na hanao adina an-tsoratra. Ho an’ireo mpanao fampiharana, tokony ho fotoana fanaovana fanazaran-tena ny sabotsy sy alahady maraina, izany hoe zoma toy izao dia efa mifandamina fotoana ny mpinamana ny amin’ny toerana haleha sy ny ora hiaingana.

Rehefa sabotsy maraina taloha, feno tanora ny arabe, iny Anosy, Andranobevava, valava Andohatapenaka iny sy ny maro hafa. Tsy ny eto an-drenivohitra ihany fa ny any amin’ireo kaominina manodidina toy iny lalam-pirenena fahatelo any Sabotsy Namehana iny. Misy amin’ireo tanora ireo no te hanalazy fotsiny ka mandeha “mikrôsy”, fa misy koa nefa ny tena manao amin’ny fo satria mibanjina ny hoaviny. Sahirana mihitsy ireo fiara mandeha maraina satria mbola maizimaizina, mety ho amin’ny telo na amin’ny efatra maraina, dia efa misy olona eny an’arabe rehefa faran’ny herinandro. Indraindray aza moa, misy lozam-pifamoivoizana tsy ampoizina vokatr’izany.

Nanomboka tamin’ny herintaona kosa, lasa hadinodino, na tsy maintsy najanona, io fihazakazahana maraina isaky ny faran’ny herinandro io, indrindra ho an’ny faritra Analamanga. Tsaroana eto ny antsoantson’ireo mpampianatra ny amin’ny tokony hitazonana ny adina ara-panatanjahantena (EPS) na dia teo aza ny fepetra isan-karazany nanakana ny fahafahan’ny ankizy nanomana sy nanatanteraka izany tamin’ny antsakany sy andavany. Inoana fa raha sanatria tsy maintsy hofoanana indray io taranja io amin’ity, dia mba hanaiky ny fandaminana ireny mpanabe ireny, satria izy ireo no tokony ho voalohany hahafantatra ny fepetra takiana hahafahan’ny tanora iray hiatrika io taranja ampianariny io.

Hiditra amin’ny faran’ny herinandro faharoa hampihiboka tanteraka azy indray ny faritra Analamanga rahampitso sy amin’ny alahady, izany hoe mbola ho voarara ihany ny fivoahan’ny tanora hihazakazaka maraina. Hita ho nihena be ny isan’ny tranga vaovao amin’ny Covid-19 raha ny antotan’isa nivoaka taamin’ity herinandro ity no jerena, ampitahaina amin’ilay 500 isan’andro teo aloha teo. Na izany aza anefa, mbola baraingo ny hisian’ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny BEPC sy bakalôrea amin’ity taona ity, indrindra ho an’ireo faritra voakasiky ny fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana.

Lova R.

Les commentaires sont fermées.