Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

  Haisoratra sy velakevitra: miato ny “Poezia mitety sekoly”

   Haisoratra sy velakevitra: miato ny “Poezia mitety sekoly”

 

 Ny seha-pihariana zavakanto rehetra mihitsy no tojo fahasahiranana amin’izao fotoana izao, vokatry ny fisian’ny valanaretina Covid-19.

Anisan’izany ny mpiangaly haisoratra sy lahabolana, raha tsy hilaza afa-tsy ny tontolon’ny fikabariana sy ny hetsika isan-karazany. Vokatry ny fikatonan’ny sekoly maro eto an-dRenivohitra, nitsahatra ihany koa ny “Poezia mitety sekoly” fanaon’ny Faribolana Sandratra, iarahana amin-dry Ranoe, i Liantsoa, i Vahela, i Sunny Razakamanana, sns… entina manabe ny taranaka faramandimby, indrindra ny mpianatra. “Voatery niato aloha ny fitetezana sekoly hitoriana ny vaovao mahafalin’ny literatiora, amin’izao fotoana izao, fa tena tsy misangy ity aretina ity, mila mailo hatrany… Na izany aza, mbola ao ny tambajo-tserasera ahafahan’ny rehetra mifampizara traikefa sy fahalalana. Manimba zavatra maro ilay aretina. Miova avokoa ny fandaharam-potoana rehetra amin’izao”, hoy i Vahela, anisan’ireo mpitory ny literatiora malagasy amin’ny alalan’ny velakevitra sy ny antsan-tononkalo. Etsy andaniny, maro koa ireo fifanarahana sy ny fampianarana kabary tsy maintsy natsahatra noho ny fepetra ara-pahasalamana noraisin’ny fitondram-panjakana. Tsy vitsy koa ireo miroso amin’ny fizarana traikefa sy fahalalana ho an’ny rehetra amin’ny alalan’ny tambajo-tserasera facebook. Ao koa ireo manao karazana hetsika “Antsam-pesiboky” toy ny nataon’i Riva hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy ny haisoratra, indrindra ireo efa zatra mpanaraka seho an-tsehatra.

Narilala

Les commentaires sont fermées.