Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiondranana antsokosoko: tratra tao Mayotte ilay vehivavy malagasy

 Andiana teratany malagasy manodidina ny 20 isa eo ny tonga tao Dapani, ao Nosy Mayotte, omaly. Mpifindra monina antsokosoko ireto tra-tehaky ny polisy monisipaly avy ao Brandélé ireto. Fantatra fa niainga avy ao Nosy Be afakomaly alina ireo mpandeha ireo ka nikasa hiditra tao an-toerana. Nahitana zaza amam-behivavy maromaro tamin’ireo olona saron’ny polisy ireo. Nambaran’ny loharanom-baovao fa nahitana sigara maro tao anatin’ny sambo niondranan’ireo mpandeha.  Ireo entana ireo izay tsy fantatra mazava ny anton’ny  hitondran’ireo mpifindra monina an-tsokosoko azy tany an-toerana.

Tsiahivina fa efa maro ireo mpandeha antsokosoko sambo miditra sy mivoaka ny Nosy Malagasy amin’izao fotoana. Isan’izany ireo teratany vahiny sy malagasy. Efa maro ihany koa ireo teratany malagasy nandeha sambokely tratran’ireo mpitandro filamianana mpiandry sisin-tany atsy Mayotte vao volana vitsy lasa izay. Voalaza fa avy niainga avy ao Nosy be avokoa ireo mpandeha tamin’izany.

 

Henintsoa Hani

 

Les commentaires sont fermées.