Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ny fanjakana ihany no afaka manafatra…: ho tonga amin’ny fiandohan’ny volana mey ny vaksiny

Ny fanjakana ihany no afaka manafatra…: ho tonga amin’ny fiandohan’ny volana mey ny vaksiny

Tsy ho ela intsony! Ho avy amin’io volana mitsidika io ny ampahany voalohany amin’ny vaksiny fanefitry ny covid-19. Ny fanjakana ihany anefa no miandraikitra ny fanafarana sy ny fitsinjarana izany….

Miroso anatin’ny fandaharanasa « Initiative Covax » i Madagasikara. Ho avy tsy ho ela amin’io fiandohan’ny volana mey io ny vaksiny azontsika avy amin’izany, araka ny tapaka sy nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny minisitra, izay natao omaly 28 avrily. Voafaritra mazava ao anatin’ny tatitra fa ireo siantifika malagasy miaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana no handrindra ny fanatanterahana izany miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Ny fanjakana irery ihany anefa no afaka manafatra vaksiny, saingy azo tanterahina kosa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina. Raràna, araka izany, ny fivarotana vaksiny ho an’ireo mpandraharaha tsy miankina. Ireo mpandraharaha sy vondrona mpandraharaha te hanao vaksiny ireo mpiasa ao aminy dia tsy maintsy manaraka ny rindran-damina iarahana amin’ny fanjakana. Ireo masoivoho vahiny te hanao vaksiny ho an’ireo mpiasa ao aminy kosa dia omena fahazoan-dalana ary miantoka tanteraka ny fanarahana ny fahasalaman’ireo olona hisitraka ny vaksiny.
Mazava loatra fa hisy ny rindran-damina amin’izay hisitraka voalohany ny vaksiny ho avy. Mbola hanamafy izany ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana aorian’izay.
Nahiboka ireo mpandeha tonga farany
Nandraisana fepetra manokana ireo mpandeha rehetra tamin’ilay sidina AF 934 avy any Frantsa            , nahabe resaka farany teo. Tsy maintsy manao fihibohana 14 andro, nanomboka tamin’iny fotoana nahatongavany iny izy ireo, ao amin’ny toerana izay neken’ny fitondram-panjakana hijanonany. Arahina akaiky ny fahasalaman’ireto mpandeha farany ireto ary tsy maintsy manao fitiliana indray amin’ny faran’ny fihibohana vao mahazo mamonjy ny tokantrano. Mbola nanamafy hatrany ny Filankevitry ny minisitra fa tsy misy mpandeha avy any ivelany intsony miditra eto amintsika, aorian’ireo.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.