Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Tsy ahina ny hipoahan’ny volkano ao Tsimahabeomby II, Arivonimamo. Nahoraka tao an-toerana ny fibontsinana tendrombohitra iray ny talata teo. “Nivelatra manodidina ny 1,5 m ilay vohitra, nivelatra manodidina ny 60 m ihany koa ny sakany ary niova 80 metatra ny haavony”, hoy ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna ao Ambohimiandry.

 

Rongony nilanja 200 kg saron’ny zandary tao Ankerika, distrikan’Antsohihy, afakomaly tolakandro. Fiara iray nandalo no nosavain’ireto mpitandro filaminana ireto ka tratra tamin’izany ny gony miisa enina feno rongony. Nafangaron’ny mpitondra fiara amin’ny gony feno ampombo ireo zava-mahadomelina ireo, saingy tsikaritry ny zandary ihany.

Les commentaires sont fermées.